15 sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
16 Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
17 Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida mpanomponao.
18 Andriamanitra va dia honina amin'ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
19 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao,
20 mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
21 Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.