Amosa
toko 1:1-5
Malagasy Bible
1Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.
2Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
3Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada;
4Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.
5Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.