2 Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
4 Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
5 Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
6 Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
8 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?