1 Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.
2 Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
3 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
4 Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
5 Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
6 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
7 Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.