9 Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.
10 Ary hoy ilay lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin'ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11 Dia hoy Daniela tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12 Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
13 Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao.
14 Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.