1 Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
2 Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
3 Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.
4 Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
5 Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,