2 Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
3 Koa tamin'ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
4 Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra.
5 Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
6 Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
7 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
8 Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.