5 Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony.
6 Ary izy nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.
7 Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8 Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra.
9 Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.
10 Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
11 Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.