1 Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty.
2 Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
3 Aza mihinana izay fahavetavetana.
4 Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy