17 ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
18 ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
19 Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
20 Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
21 Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
22 Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
23 dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.