9 Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
10 Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
11 Aza mitafy lamba volon'ondry sy rongony mifamahofaho.
12 Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny lambanao izay itafianao.
13 Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
15 dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna eo am-bavahady.