19 Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20 Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra.
21 Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina.
22 Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.