1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina.
3 Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.
4 Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany.
5 Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?