1 Ary nisy lehilahy anankiray avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny zanakavavin'i Levy.
2 Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
3 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
4 Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
5 Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.