19 Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.
20 Ary hoy izy tamin'ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
21 Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy.
22 Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.
23 Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
24 Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
25 Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.