Eksodosy
toko 21:1-7
Malagasy Bible
1Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
2Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
3Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
4Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
5Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
6dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
7Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.