2 Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
3 Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
4 Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
5 Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
6 dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
7 Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.
8 Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.