Eksodosy
toko 21:6-12
Malagasy Bible
6dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
7Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.
8Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
9Ary raha mamofo azy ho vadin'ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
10Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
11Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola.
12Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;