24 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
25 Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
26 Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra izay eo amin'ny tongony efatra ireo:
27 eo akaikin'ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
28 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin'ireo no hilanjana ny latabatra.
29 Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
30 Ary asio mofo aseho eo ambonin'ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.