13 Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
14 Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
15 Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.
16 Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
17 Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
18 Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.