1 Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
2 Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
3 Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
4 Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
5 Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
6 Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.