31 Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
32 Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
33 Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
34 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
35 Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
36 Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
37 Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.