34 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
35 Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
36 Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
37 Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.
38 Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
39 Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
40 Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.