1 Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
2 ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
3 Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
4 Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy