16 dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;
17 ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany;
18 ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
19 Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
20 dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara
21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.
22 Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;