6 Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
8 sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona,
11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.
12 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: