1 Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
2 Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
3 Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.
4 Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
5 Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.
6 Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
7 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.