8 Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka;
9 dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
10 Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
12 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
13 Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,