19 Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20 Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.
21 Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
22 Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.
23 Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
24 Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.
25 Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.