9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
10 Ary nanao ny latabatra tamin'ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
12 Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
13 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:
14 eo akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
15 Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.