4 Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.
5 Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao.
6 Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
7 Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
8 Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
9 Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;
10 ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.