24 Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):
26 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.
28 Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
29 Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
30 Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.