11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
14 Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
16 Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy.
17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.