3 Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
4 Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
6 Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
7 Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
8 Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.
9 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.