1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin'ny taniny.
2 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.