1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
2 Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao, mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,
3 Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
4 Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
5 Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin'i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any.
6 Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no nataony.