10 Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.
11 Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
12 Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
13 ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik'andriana
14 Ary dia niely tany amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
15 kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany
16 Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.