Ezekiela 35 MG1865

Ny handravana an'i Edoma noho ny nandrafiany ny Isiraely

1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,

3 dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.

4 Ny tanànanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

5 Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin'ny sabatra, fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,

6 Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.

7 Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,

8 Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron'ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny sabatra.

9 Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

10 Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah

11 Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin'ny hitsarako anao.

12 Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.

13 Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.

14 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,

15 Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.