54 mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao azy.
55 Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa.
56 Nefa tsy mbola mba notononin'ny vavanao akory ny nanjo an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro niavonavonanao,
57 fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
58 Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
59 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
60 Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.