1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;
4 ny tendron'ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan'ny mpandranto no namboleny azy.