20 Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.
21 Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
22 Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
23 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
24 Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.
25 Manaova lalana hihavian'ny sabatra ho any Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.
26 Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny sampy sy mizaha amin'ny atin-kena.