1 Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio izao.
3 Ary milazà fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
4 ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.