25 Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.
26 Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.
27 Ary tsy hiara-miampatra amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.
28 Eny, ianao dia haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin'ny voatrabaky ny sabatra.
29 Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.
30 Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.
31 Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.