Ezekiela 44:9-15 MG1865

9 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin'ny zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin'ny fitoerako masina.

10 Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.

11 Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.

12 Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan'ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak'Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,

13 ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.

14 Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.

15 Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.