6 Ary homenareo koa ny zara-tany ho an'ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana; ho an'ny taranak'Isiraely rehetra izany.
7 Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany ho an'ny tanàna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanàna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na amin'ny atsinanana.
8 Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin'ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an'ny taranak'Isiraely isam-pireneny.
9 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
10 Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
11 Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
12 Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no ho manenareo.