1 Ary ianao, ry zanak'olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
2 Ny ampahatelony dia dory amin'ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3 Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin'ny sisin-dambanao.
4 Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin'ny taranak'Isiraely rehetra.
5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa, ka voahodidin'ireny tany ireny izy.
6 Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,