10 Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.
11 Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
12 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.
13 Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
14 Dia nentiny ho eo anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza.
15 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
16 Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.