Ezra 9:4-10 MG1865

4 Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.

5 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro aho

6 ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;

7 fa hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao.

8 Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.

9 Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.

10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,