6 Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
7 Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
8 Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho.
9 Ny lotony dia teo amin'ny moron-tongotr'akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
10 Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.
11 Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.
12 Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian'i Jehovah ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.