1 Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.
2 Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.
3 Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
4 Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5 Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6 Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
7 Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.